airtel

Finoana

01-mars-2021

Finoana

FJKM Vinany Tempoly Malala Nahazo dispensera hitsabo ny olon-drehetra

Sample post image

Lanonan-dehibe 2 sosona no nitranga teny amin’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala omaly alahady faha 28 volana febroary 2020.

01-mars-2021

 

Voalohany ny famaranana ny fankalazana ny faha 25 taonan’ny fikambanana Maintimolaly izay ivondronan’ireo antoko mpihira sokajiana ho efa zokiolona.Faharoa kosa ny fitokanana ny Dispensera Volana, toeram-pitsaboana ho an’ny rehetra natao indrindra ho tsangambaton’ny faha 25 taona nitandreman’ny mpitandrina Raharison David Andriamalala.Mitentina 70 tapitrisa ariary ny trano sy ny fitaovana ao anatiny izay efa raitra tokoa.Fanomezana avy amin’olon-tsotra no nahavitana izao foto-drafitrasa izao. Efa misy ny dokotera hiasa ao amin’ity dispensera ity .Ankoatry ny fizarana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra dia miahy ny maha olona ihany koa ny Fiangonana, ka dingana iray ao anatin’izany ity vita eny Vinany Tempoly Malala ity.

Natty

 

Dans la même rubrique