ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany— Lioka 2 : 14. Io no lohahevitra nosafidian'ny sampana tanora kristianina ao amin'ny Fjkm Vinany Tempoly Malala - Synodam-paritany Antananarivo andrefana entina hankalazana ny fahaterahan'i Jesoa Kristy mpamonjy. Ny alin'ny alahady 24 hifoha alatsinainy 25 desambra no nanaovan'izy ireo fampisehoana miavaka tao amin'ny fitandremana izay nahaliana sy nahafinaritra tokoa ny mpanatrika, indrindra moa fa izay indray vao niverina ny fanaovana sasak'alin'ny noely taorian'ny nisian'ny valan'aretina Covid 19. Antsan-kira nataon'ny amboaran-kira no nanombohana ny fotoana nampisehoana amin'ny alalan'ny hira fiderana ny hoe fahaterahan'ny mpamonjy sy ny maha zavadehibe azy ho an'ny fiainan'ny mpino. Niroso tamin'ny tantara an-tsehatra avy eo, nampisehoana ny zava-misy iainan'ny tanora amin'izao vanim-potoana izao. Tanora roboka amin'ny rendrarendra, vola, fisotroana, fidorohana zava-mahadomelina, ireo karazana fahafinaretan'ny nofo...tanora tsy miraika firy amin'ny fampianaran'ny fiangonana ary matetika voatariky ny namana any amina zavatra tsy mendrika. Rehefa reraka sy nahatsapa ny tsy mety natao dia nihiratra kosa anefa ny maso sy ny fanahy ka tapa-kevitra ny hiaraka amin'ny Jesoa, ary tsy hoe vitan'izay fa nitaona sy nandresy lahatra ireo namana mba hiala amin'ny ratsy fanao ka hiverina amin'ny fiarahana amin'ny Tompo satria izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Naseho tamin'ny alalan'ity tantara an-tsehatra nolalaovin'ny STK Vinany Tempoly Malala ity fa fitaka ihany ny fiadanana atolotr'izao tontolo izao, mitondra mankany amin'ny fahaverezana fa ny miaraka amin'i Jesoa Kristy Tompo zanak'Andriamanitra no fiadanana maharitra mandrakizay, fiadanana tsy misy tambiny, fiadanana zaraina maimaimpoana fa miandry fotsiny ny fanapahan-kevitry ny tsirairay mba hampiditra an'i Jesoa Kristy ao am-pony. RTT
Ho eny amin'ny Fjkm Gileada Malaza, kaominina Andoharanotsy ny tarika TDL ny datin'ny
Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany