tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Finoana

FLM Betafo Namarana ny jobily faha 155 taona

Feno hipoka ny FLM Betafo raha namarana ny fankalazana ny jobily faha 155 taona. Tonga nanotrona ny filohan'ny Sinodam-paritany Avaratrimania, ny Pastora Ratolojanahary.

27-févr-2023

Sample post image

Naneho ny fahafehezana tantara ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, Vy Vato Rakotovao, ka nilazany fa ankoatry ny finoana Loterana nentin'ireo misionera avy any Norvège notarihin'ny Pastora John Eng, dia mbola izy ireo ihany koa no nampianatra ny fanaovana trano biriky. Ny taona 1867, ny 4 desambra no tonga tany Betafo ireo misionera ireo ary dia ity fiangonana eo Amboniavaratra ity no voalohany tamin'izany. Dieny izao dia efa natsidik'i Pastora Ratolojanahary no mety ho endriky ny fankalazana ny jobily faha 160 taona. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo nokarakarain'ny zanaka ampielezana. Ireo manamboninahitra sivily sy miaramila tany an-toerana no niray latabatra ary nahitana ny solombavambahoaka Dr Lova Fiarovana .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Randram-peo fiderana Hidera an’Andriamanitra noho ny faha-5 taonany
02-juin-2023

Feno 5 taona katroka ny nijoroan’ny antoko mpihira Randram-peo Fiderana hivondronan’ireo antoko mpihira miisa 5 dia ny KT Ambatovinaky, ny Koraita Manarintsoa Finoana,

Voir plus