Nisy ny fanaovana batisa sy fanokanana ho Mpandray fanasan'i Tompo voafonja miisa 80, andiany "Famonjena" tao amin'ny fonja fanarenana Antanimora, ny Alarobia 9 septambra 2026. Ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (Andiany faha-10) SP AA 10 no nanofana azy ireo, ny "Aumônier" nasionalin'ny fonja eo anivon'ny FJKM Past Nestor Razafindramanitra no nanao ny dinika sy nitarika ny fanokanana azy ireo omaly. Nitoriteny ny Pasitera synodaly ny SP AA10 Past Ravelonanosy Mamitina. Nampandray Past Randriamisata Roger, Filohan'ny komity nasionalin'ny "Aumônerie" FJKM. Nitarika ny fotoana kosa ny Filohan'ny Aumônerie SP AA 10 Past Eric Randrianiaina. Nanatrika izany ny avy ao Fitaleavam-paritra ny fandraharahana ny fonja Analamanga sy ny lefitry ny lehiben'ny fonja eo an-toerana. Nomena fitafiana sy kiraro ary kojakoja maro samihafa vaovao avokoa izy 80 ireo, narahin'ny sakafom-piraisana ny atoandro ankoatra ny an'ireto vahiny nasiana manokana.
Jean D.
Fanovana batisa ireo voafonja tao Antanimora