airtel

Finoana

13-janv-2022

Finoana

Fotoan-dehibe ho an’ny FJKM Eny amin’ny Coliseum ny alahady izao

Sample post image

Ho ambohipihaonan’ny mpino FJKM indray ny alahady 16 janoary 2022 izao. Toy ny fanaony isan-taona mantsy, dia hotanterahina amin’io alahady io etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fanompoam-pivavahana lehibe ataon’ny mpino FJKM.

13-janv-2022

 Fanao isaky ny fiandohan’ny taona io hitondrana am-bavaka sy hanokafana ny taom-piasana 2022, ary indrindra ho fitondrana am-bavaka ny filohan’ny FJKM ny Pasitera Irako Andriamahazosoa Ammi. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fisaorana an’Andriamanitra amin’ireo soa sy ny taona vaovao. Fandaminana entin’ny mpikarakara ao amin’ny foibe FJKM eo anatrehan’ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana izao kosa ny fanaovana fidirana roa amin’io fotoana io. Ho an’ny fidirana voalohany, dia manomboka amin’ny 7 ora sasany izay natokana ho an’ny sinodam-paritany Antananarivo Andrefana sy ny Avaradrano. Ny fidirana faharoa kosa natao ho an’ny synodam-parintany Antananarivo Atsimondrano sy Atsinanana miampy ireo olona nasaina izay ahitana tomponandraiki-panjakana sy ny fiangonana rahavavy. Nanamafy sy nanentana momba ny mpikarakara mba hanajan’ny rehetra ny fepetra sakana rehetra, indrindra ny elanelana izay napetraka ho 1 metatra raha kely, ny fampiasana arovava orona , ny fanasana tanana matetika,... Ankoatra izay, dia misy ihany koa ny fanentanana ny rehetra hitondra satroka sy rano satria iaraha-mahalala fa migaina ny andro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap