airtel

Finoana

26-déc-2022

Finoana

Hafatra fankaherezan’ny Filohan’ny FJKM “Mifalia amin’ny krismasy fa aza resin’ny Krizy mafy”

Sample post image

Nitondra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny rehetra, indrindra fa ny mpino FJKM ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi Filohan’ny FJKM noho ny fahatrarana ny andron’ny krismasy.

26-déc-2022

Fiarahabana niainga tamin’ny hoe: "Voninahitra any amin'ny Avo Indrindra ho an'Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany ho an'ny olombelona fa nanehoany fitia !" (Lio. 2: 14). Nitondra hafatra nafonja mifono fankaherezana mba tsy ho resin’ny krizy sy ny fahasahiranana samihafa ny Filohan’ny FJKM, ka navoitrany ny hoe: “Mifalia amin’ny Krismasy fa aza resin’ny krizy mafy”. Navoitrany fa Andriamanitra tonga olombelona Izy ho " Imanoela", izany hoe, raha adika: "Amintsika Andriamanitra", miara-monina amintsika Andriamanitra ! Ary izany no ilazana hoe: Mifalia amin’ny krismasy fa aza resin’ny krizy mafy, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy hadinon' Andriamanitra ao anatin'ny olam-piainana mianjady amintsika akory isika olombelona, na toy ianao no toy inona hamafin'izany, ka nitondrany fankaherezana hoe: eto aminao i Jesoa fa tsy mamela Anao ho irery ! Niantso ny olona tsy hanalavitra ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny hoe: Eto akaikinao i Jesoa! Antsoy Izy. Mivavaha Aminy ! Nefa mihoatra noho izany : asao hiditra ao amin'ny fonao sy ny fiainanao Izy, ka na mety ho ratsy sy maimbo toy ny tranon'omby aza ny fonao, tsarovy fa vonona hiditra ao Izy hanova izany ho tempoly Masina ! Ary enga anie mba tsy hotenitenenim-poana ny anaran'i Jesoa Kristy amin'izao Krismasy izao, ka i Jesoa Kristy ankalazaina, nefa ny atao hitenenan-dratsy ny Anarany, ny fiainana mampitomany Azy ! Fa mba Izy Tompon' ny fety anie no ho faly voalohany mahita antsika tena tia Azy marina, tena mino Azy marina, Ary mitondra tena mifanaraka amin'izany, dia hiantefa amintsika ny fifaliana tena izy avy Aminy, ka ho haintsika ivelomana izao hafatra izao hoe: “Mifalia amin’ny Krismasy fa aza resin’ny krizy mafy”, hoy hatrany ny hafatra mafonjan’ny Filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, izay nirary Krismasy sambatra ho an’ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap