airtel

Finoana

26-mai-2026

Hafatra Pantekosta FFKM

Aoka iainantsika ny 4F

Sample post image

fa tsy ho filamatra fotsiny

26-mai-2026

Tamin’ny alalan’ny hafatra Pentekosta 2026 no nampatsiahivan’ny FFKM fa manavao, mampahery, mitaridalana, manome fanantenana ny Fanahy Masina. Noraisin'ireo Apostoly sy mpanaradia an'i Kristy tamin'ny andron'ny Pentekosta izany fanahy izany rehefa nazoto niombona sy niaraka nivavaka izy ireo.
Tsy miova mandrak’aankehitriny ny asa sy herin'ny Fanahy Masina koa aoka hazoto amin'ny fiombonana mivavaka isika zanaky ny FFKM :hoy ny hafatra ka hanaiky havaozin'ny Fanahy Masina ka ho tanteraka isika amin'ny asa tsara rehetra satria nohariana ho amin'izany isika .Hanaiky havaozina ny saina sy ny hevitsika ho iray ao amin'i Kristy.Nampatsiahy ny FFKM hoe aoka ho fiainantsika ny 4F (Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana) fa tsy ho filamatra fotsiny; ampiharina hatrany an-tokantrano, eo amin'ny fiaraha-monina ary eo anivon'ny firenena.
Mazava tsara eto ny hafatry ny Fiangonana amin’ny lalan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara izay ahitana ny EKAR, FJKM, FLM ary EEM fa tena iainana ny finoana, tsy atao am-bava fotsiny, raha io Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana io no tena ataon’ny Kristiana eto Madagasikara, dia ho lavitry ny korontana ny firenena.Maro ireo zanaky ny fiangonana manampahefana sy tompon’andraikitra eto amin’ny Firenena, tsy mila miady hevitra be akory amina fifanarahana politika na ho lany andro hifanasa vangy amin’ny endrika hitantanana ny firenena fa na inona na inona rafitra ajoro eo rehefa iainana ny 4F dia milamina ny fiarahamonina.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nanamafy ny FFKM tamin’ny alalan’ny filohany

Card image cap