airtel

Finoana

30-mars-2023

Finoana

Hafatry ny FFKM « Ny fahamarinana no manandratra ny firenena »

Sample post image

Vavaka iraisam-pinoana notanterahina teny amin’ny 𝗙𝗝𝗞𝗠 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗙𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 omaly Alarobia no nentina nanamarihana ny tsingerin-taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947.

30-mars-2023

Niara-dalana tamin’izany ny fanokafana ny fihaonam-be n’ny FFKM taona 2023. Lohahevitra banjinina amin'izao fihaonam-be izao ny hoe “𝐉𝐞𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚 𝐨𝐦𝐞𝐤𝐨 𝐟𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐧𝐠𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐣𝐞𝐫𝐚, 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐩𝐨𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐯𝐚, 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐲 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲” araka ny voasoratra ao amin’ny Jeremia 10 : andininy voalohany. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena. Miombona amin’izay fandehanana mankany amin’ny fahamarinana izany ny FFKM ary manohitra izay manohitra ny fahamarinana kosa . Tonga teny an-toerana nanatrika izao fotoan-dehibe izao ny Filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina, sy Marc Ravalomanana, ny filoham-panjakana teo aloha Rivo rakotovao sy ny mpitarika ny Antoko MMM Hajo Andrianainarivelo. Nisy ny vavaka ho an’ny firenena nandritra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoam-pivavahana notanterahina omaly
 

Dans la même rubrique