hoy ny mpanao gazety, mpandalina tantara, Haja Ratsimbazafy, namintina sy nanazava ny lalana nodiavin’ny Papa François fahavelony tamin’ny haino aman-jery namana iray ny sabotsy teo. Niteny fotsiny izy hoe «Iza moa izaho no hitsara azy ireo?» dia samy nandika ny olona, hoy izy. Nanaraka ny dian’ny Masindahy François d’Assise hatramin’ny naha kely azy iny Papa iny. Ny nanjo ny rainy izay mpitsoam-ponenana no raikitra am-pony ka niarovany ny mpitsoam-ponenana tany Lampeduza. 300 taona aty aoriana dia ny Papa François indray no hilevina ao amin’ny Chapelle Sainte Marie Majeure, araka ny hafatra napetrany. Tsy misy mahalala izay ho lany Papa vaovao fa ny azo ambara dia hoe «Miditra ao dia Papa, mivoaka ao dia Kardinaly!», hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
Herintaona izao no nitsanganan’ny Fikambanan’ny Kristianina mifanampy na FIKRIMI.