airtel

Finoana

20-oct-2026

Herinandrom-bokatry

ny SAFIF ao Andravoahangy

Sample post image

Hampianarina handraharaha ny mpino

20-oct-2026

Ny zoma 23 oktobra izao no tontosaina ao amin'ny Akany Andravoahangy fivavahana ny antsoina hoe "Herinandrom-bokatry ny SAFIF/AF na Sampan'asa fitoriana filazantsàra" ao amin'ny FJKM Andravoahangy Fivavahana. Hisy ao anatin'izany ny velankevitra arahina fiofanana sy fampiharana ho atolotr'izy ireo ho an'ny mpino, hoy ny fanazavàna. Ny resaka fahaiza-mitantam-bola na "Intelligence financière" sy ny fandraharahana no ifampizaràna ao anatin'izany. Ao anatin'izany ihany koa no itaizàna ny mpino mikasika ny antsoina hoe "Vision théologique pour la productivité" na ny Vinam-pamokàrana mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Amin'ny maha vina eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM azy moa dia mpamokatra sy mpandraharaha Kristianina hendry, mahatoky, tomponandraikitra no trandrahana ao anatin'izany fampianarana ny mpino handraharaha sy hamokatra izany, raha ny fanazavàna voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-oct-2026

Hankalaza ny Fetin’ny taranaka

Card image cap