izay eo ambany fitarihan’ny VDFI na Vondrom-bavaka Dian'ny Finoana Mpitory ny Filazantsara, hiarahana amin’ny mpanakanto sy mpihira ara-pilazantsara samihafa mahatratra hatrany amin’ny 28, tahaka an-dry Josephe d’Af, Rija Rasolondraibe, The singers of jesus, Ny Fanilo, N art Son, Ny Avo, Laurent Rakotomamonjy, Mialy Rakotomamonjy, Fara Andriamamonjy, Mihira All for Jesus Groupe evangelique Shalom, Andon’ny lanitra,... Nomarihin’ny Filoha mpanorina ny VDFI Atoa Vahatriniaina Rakotomalala moa fa efa tamin'ny taona 2002 no nanomboka ny asa fitoriana Filazantsara nataon’ny VDFI, nomena ny anarana hoe: “MANDRESY” izany hetsika izany ary io hatramin'izao no anarana entina. Tao Imeritsiatosika ihany no nanaovana azy hatrany am-piandohana sy nandritra ny 10 taona, niitatra ny asa, ka amin'ity taona 2023 ity dia hanenika an'i Madagasikara ny hetsika ka nomena ny anarana hoe: “Mandresy Madagasikara”. Faritra 15 amin’ny 23 no hisian’izany amin’ity miampy ny any Maorisy izay misy Malagasy maro, ka mahatra 37 ny hetsika hatao. Fitoriana Filazantsara ankalamanjana iarahana amin'ny mpihira na antoko mpihira atao amin'ny tanàna iray na maromaro io, ka hisantarana izany ny vavaka an-tendrombohitra any Ambondrombe. Mifototra amin’ny asam-pamonjena nataon’I Jesosy fa tsy miditra amin’ny resaka “dogma” tahaka ny hoe: mahazo mihinana na tsy mihinana kisoa, mivavaka sabotsy sa alahady,… hoy ny fanamarihan’Atoa Vahatriniaina Rakotomalala, uzay nanipika fa maimaimpoana ny hetsika ary misokatra amin’ny Malagasy tsy an-kanavaka. Vanim-potoanan’ny fifidianana isika izao, fa ny hetsika “Mandresy Madagasikara” dia nisy ary hisy foana, fa tamin’ity no nanomboka nanenika an’I Madagasikara. Amin’ny maha taom-pifidianana dia hisy ny vavaka ho an’ny firenena, ho an’ny mpitondra isan’ambaratongany, hivavaka mba ny sitrapon’Andriamanitra no ho tanteraka ao anatin’ny fotoana ho avy,… Tsy tohanana antoko, tsy tohanan’ny mpitondra na ny mpanohitra anefa io, fa ny VDFI no mikarakara sy miantoka ny lany. Misy ihany anefa ny mpiara-miasa vitsivitsy, toy ny orinasa RDJ, Top Radio, Kaoperativa Niriantsoa, Melody Sono, Guy.com, rah any fanamarihana. Olona avy aty amin'ny VDFI no miandraikitra fandrindrana ankapobeny sy ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra sy manao ny fanentanana rehetra nefa raha misy ny tsy fahampian'ny olona dia manendry mpiara-miasa ny fikambanana hanao izany. Ny hetsika "Mandresy Madagasikara" dia natao ko hitondrana ambavaka ny firenena,. Manomboka ny zoma 18 aogositra ka hatramin'ny Alahady 20 aogositra 2023. Ny mpikambana tsirairay, araka ny fahasoavana nomen'ny Tompo azy, na fahalalàna na vola na fitaovana na fotoana na fananana,... no namelona sy nampiaina ny fikambanana.
HATOMBOKA ANY AMBONDROMBE
Vavaka an-tendrombohitra, any Ambondrombe no hanombohana ny “Mandresy Madagasikara” rahampitso zoma 18 aogositra, ka misy 7 miralahay miaraka amin’ny mpitari-dia no ho any. Any amin’ny Faritra Ambohimahamasina Ambalavao no misy an’Ambondrombe. Efa nanao fanadihadiana tany ny FDFI, ka nomarihin’Atoa Vahatriniaina Rakotomalala fa efa lasa “site touristique” izy io nanomboka ny taona 2007, saingy tsy misy Malagasy sahy mandeha eny fa vahiny no mpakeny. Efa in-droa miantaona kosa ny VDFI, ka ny tanjona dia nampisehoana hoe: tendrombohitra tahaka ny tendrombohitra rehetra io, mety nanana ny tantarany, fa ankehitriny efa nivadika toeram-pizahantany tokony hotsidihin’ny rehetra. Zava-dehibe teo amin’ny fivavahana kristianina ny vavaka an-tendrombohitra, ka izay no hanombohana azy eo amin’ny endriny eny an-tendrombohitra, hoy ny ampahan’ny fanazavana.
Toky R