airtel

Finoana

06-juin-2023

Finoana

Hetsika Jesosy manasitrana Hanova ny fiainan’Antananarivo, hoy ny mpikarakara

Sample post image

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenaka, haharitra 5 andro ilay hetsika Jesosy Manasitrana, karakarain’ny Fiangonan’ny Finoana sy ireo fiangonana zandriny maro isan-tsokajiny.

06-juin-2023

Fahombiazana sahady ny andro voalohany omaly noho ny hamaroan’ireo olona tonga teny an-toerana. Tena mila famonjena ny Malagasy. Betsaka ireo marary efa lany vola mitsabo tena nefa tsy mahita fanasitranana. Betsaka koa ireo lanin’ny adin-tsaina sy valaky ny fitadiavana nefa tsy mahita magirana eo amin’ny fiainana… Saika tazana teny an-toerana avokoa ny ankamaroan’izy ireny omaly no sady nivavaka tamin’ny fony nanatona an’Andriamanitra. Nambaran’ny pastera Aintsoa Razafimandranto nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety fa tena hanova ny fiainan’Antananarivo sy ny olona isam-baravarana ity hetsika ity, indrindra fa ho an’ireo tena mino. Nanafatra kosa ireo mpanompon’Andriamanitra tonga teny an-toerana fa tena misy lanjany eo amin’ny fiainana ny toerana aleha sy ny olona hifanenana noho izany tsy tokony hatao antsirambina toy ny fihaonana tamin’ireo olon’ny fahasoavana marobe omaly tonga teny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 03 ora folakandro ny fotoana raha tamin’ny 04 ora hariva kosa no tonga tao an-toerana ny Evanjelistra Dag Heward- Mills izay nizara ary mbola hizara ireo karazana fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy toy ny fanasitranana ny marary….
Pati
Legende : Nahavory olona maro tahaka izao teny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenakma omaly
 

Dans la même rubrique