airtel

Finoana

25-mai-2023

Finoana

Hetsika Jesosy manasitrana Hitory filazantsara amina sahirana 100 tapitrisa maneran-tany

Sample post image

Ny 5 hatramin’ny 9 jona 2023 izao no ho tontosaina eo amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny hetsika na «croisade» mitondra ny lohateny hoe «Jesosy manasitrana».

25-mai-2023

Fiangonana sy antokom-pinoana maro no hifarimbona hahafahana manatontosa izany, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara azy ity tetsy amin’ny Roxy Antaninarenina omaly. Eny fa na ireo fiangonana mbola tsy niara-niasa mihitsy hatramin’izay aza dia sambany hiara-kiasa amin’io fotoana io satria tanjona voalohany ny famonjena ny fanahin’ny olon-drehetra. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny kaonferansa ho tontosaina ny 6 hatramin’ny 8 jona ka hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny evanjelista Dr Dag Heward-Mills, izay sady mpitsabo no eveka avy amin’ny vondrom-piangonana Lighthouse na UDOLGC ary nanitatra ny asa fanompoana amina tambazotram-piangonana mihoatran’ny 3000 isa manerana izao tontolo izao. Efa nanoratra boky maro izy ary miisa 100 ireo be mpividy indrindra ka manodidina ny 40 tapitrisa no isan’ireo boky voatonta amina dikateny miisa 45. Tanjona ihany koa ny hitory filazantsara amina olona sahirana 100 tapitrisa maneran-tany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap