fanatanterahana ilay hetsika Mandresy Tour Tamatave izay notontosaina tany an-toerana ny Alahady 06 Septambra lasa teo. Vory lanona ny mponin’i Toamasina nanoloana ny « Toamasina 501 » ary tsy nisaraka raha tsy efa alina ny andro. Nifandimby teo amin’ny sehatra ny Feon’ny Mpandresy, Unis pour Jesus, ny Revival Messengers Tamatave, ny VDFI Mpihira raha namarana azy kosa ny tarika Isaac de Paul. Hira, hafatra ho fampahereza ary fiderana mafana no nameno ny sehatra nandritra ny 4 ora nisesy. Marihina moa fa tsy nisy vidim-pidirana ny hetsika ary ny VDFI no mpikarakara. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa sy any ivelan’i Madagasikara moa ny hetsika Mandresy tour. Natao hampifanakaiky bebe kokoa ny olona amin’Andriamanitra no tanjona no sady hanitarana ihany koa ny asa fitoriana ny filazantsara.
Pati
Legende : Nahasarika mpankafy marobe tahaka izao ilay fampisehoana !