araka ny fampahafantarana efa nataon’izy ireo tamin’ny herinandro lasa teo. Fanompoam-pivavahana ho fanandratana vavaka ho an’i Madagasikara no ho atao eny an-toerana amin’ity anio ity, hoy ny fanazavana, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tsy afaka ny hipetra-potsiny izahay, hoy ny HMF, araka ny teny voalaza ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Estera 8:6 manao hoe “Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?”. Efa nanambara izahay fa fotoana tokony hijoroana izao satria efa mahakasika ny vahoaka ny toe-draharaha, hoy hatrany ny HMF.
J. Mirija