airtel

Finoana

22-avril-2024

HIAKA FIDERANA 2

Fahombiazana tanteraka, feno hipoka ny Palais des Sports Mahamasina

Sample post image

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

22-avril-2024

indrindra avy any amin'izy ireo, nahatsiaro ho nahavita adidy ny mpikarakara. Niavaka raha samy hetsika fitoriana ny filazan-tsara an-kira ny Hiaka Fiderana andiany faharoa nokarakarain'ny Sampana Tanora Kristiana (STK) foibe eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izay tontosa teny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady tolakandro. Anisan'ny nanafana ny seho omaly i, Rija Ramanantoanina, Antsan'i Kristy, Nanie, Luc ary Gasy tsara midera. Na tao amin'ny fanompoam-pivavahana sy toriteny mialoha ny fotoana na nandritra ny fampisehoana dia nezahana novelarina sy nazavaina mba hiraikitra am-pon'ny rehetra izay mandre ny lohahevitra nosintoninana avy ao amin'ny I Tim 4; 12 be manao hoe :" aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao". Tsara ho marihina fa maimaimpoana ny fampisehoana izay notohanana mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka maro toa ny ONET Group International, Kolo TV, Dreamin, IB-C, Real Tv, Production Miritsoka.

Nangonin'i RTT Nangonin'i RTT

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’i Maintirano ny Monseigneur Rakotoasimbola Clément Herizo,

Card image cap