faha-20 ireo mpino eo anivon’ny Fikambanana Mozolomanina Ahmadiyya Andavamamba. Tontosa ny sabotsy teo izany rehefa naharitra telo andro, narahin’ny fihaonambe. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra narahina fampianarana sy fanamafisana ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Nambaran’ny misionera eo anivon’ny fikambanana Ahmadiyya eto Madagasikara Atoa Ahmad Mujeeb fa ny rafitry ny Jalsa Salana dia niorina avy tamin’ny fampanantenain’ilay Mesia araka ny fahefan’i Allah. Natomboka ny volana desambra 1889 tany Qadian Inde noho izany ny Jasla Salana andiany voalohany. Taorian’izay ireo mpino Slamo dia samy nanao fihaonambe amin’ny firenena misy azy ireo avy ka anisany ny etsy amin’ny Ahmadiyya Andavamamba. Hampianatra ireo mpikambana ny fampianarana marina momba ny finoana Slamo Ahmadiyya araka izany no tanjon’izy ireo na avy amin’ny firenena inona na avy amin’ny firenena inona araka ny fanazavan’ ny misionera misahana ny ao Toliara Atoa Mohammed Musa. Tsiahivina moa fa ny fihaonambe toy izao dia entina manamafy ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Teny filamatry ny Jama’at Ahmadiyya moa ny hoe : Fitiavana ny rehetra, tsy misy fankahalana na iza na iza. Mampianatra ny rehetra hanaja ny zon’ny tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ihany koa ny fikambanana arahin’ny fijerena manokana ireo kamboty sy mahantra eny anivon’ny fiaraha-monina.
Pati
Legende : Nafana tahaka izao ny fihaonana sy ny vavaka nasandratr’ireo mpino !