manambara ny fisokafan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe ao Ankorondrano, izay voatery nakatona noho ny disadisa anatiny niseho volana maro izay. Làlana nahafahana nizotra tamin’io ny nahavitana sonia ny tondrozotram-pandaminana tsy maintsy arahina voasonia ny 10 desambra teo. Misy andininy 9 io, ka isan’izany ny maha manan-kery ny sata sy ny fitsipika anatiny voapetraka any amin’ny Minisiteran’ny Atitany; Manan-kery ny rafitra rehetra misy toy ny “conseil d’adminisitration” sy ny “collège des pasteurs”; Ajoro ny “Comité transitoire du conseil d’administration” hitarika ny “conseil d’administration” sy ny raharaham-pitantanana ny fiangonana ka olona 4 no mandrafitra azy izay roa avy ho an’ny andaniny sy ny ankilany, ary ny filoha lefitra no miantso sy mitarika fivoriana; Ny fanapahan-kevitra rehetra dia iarahana mandray (Direction collégiale); Ny famoaham-bola rehetra dia tsy maintsy misy sonian’ny mpitantana 4,… Noho io tondrozotra io, dia nambaran’ilay didim-pitondrana nivoaka ny 13 desambra, fa foana sy tsy manan-kery intsony ny taratasy manambara ny Fikatonan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eny Ankorondrano. Misokatra ny fiangonana taorian’ny fahavitana sonia ny didim-pitondrana, ary foana avokoa ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin’io didy io .
Toky R
Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika ary saika nahafatesana olona hatrany.