airtel

Finoana

11-avril-2023

Finoana

Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Naneho ny alahelony ireo mpino

Sample post image

Naneho ny alahelony ny mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana, izay nilaza fa iharan'ny tsindrihazolena,

11-avril-2023

tsy mba afa-nankalaza ny paska satria tsy vitan'ny nakaton'ny fanjakana tsy azo idirana ny fiangonana, fa na eo an-tokontany aza tsy azo ivavahana araka ny naoty navoakan’ny préfet tamin’ny zoma masina fa hoe manohintohina ny filaminam-bahoaka. Fototry ny olona ny fifidianana ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana na PCA izay mbola any amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha nefa manao amboletra ny Atoa Randrianatoandro Raymond, hoy ireo mpino. Anisany ny ambaran’izy ireo fa hosoka sy halabato tamin’ny fifidianana Filankevi-pitondrana (CA), ny fanitsakitsahana ny fitsipika anatiny mifehy ny Fikambanana Jesosy Mamonjy tamin’ny fifidianana Biraon’ny Firaisan’ny mpitandrina (BCP) tsy nisy fiantsoana fivoriamben’ny mpikambana rehetra, hoy ireo mpino. Nisy ihany koa ny fanovana ny foto-pampianarana (Doctrine) Jesosy Mamonjy, toy ny fanavakavahana mampisara-bazana; fananganana vondrona SOS sy fanakaramana mpikarama an’ady iza tsy ao anatin’ny sata mifehy ny fiangonana; fisandohan’andraikitra na “usurpation de fonction” amin’ny alalan’ny famindran-toerana amboletra ireo mpitandrina manerana ny Nosy amin’ny fidirana an-kerisetra toy ny famakiana vavahadim-piangonana sy fihoarana amin’ny fefim-piangonana sy fandratrana sy famonoana ireo mpiambina. Raikitra ny fangatahana ny hamerenana nyy fifidianana CA sy ny Biraon’ny BCP, ary ny fanovana ny mpikambana. Miantso fanadihadiana lalina mikasika ny zava-niseho teo anivon’nyy Jesosy Mamonjy Tsarahonenana ny 25 martsa 2023 teo ireo mpino, fa tsy tokony mandray fepetra manakatona ny fiangonana avy hatrany. Tsy mbola nisy ady na korontana teo anivon’ny Jesosy Mamonjy ao Tsarahonenana hatrizay fa ny fanafihana nataon’ireo iraka avy amin’Atoa Randrianatoandro Raymond no nahatonga ny savorovoro ka tsy ekenay izao fanakatonana izao,… hoy ireo mpino. Vokany, nanamafy izy ireo fa tsy ekeny ny famindrana ny mpitandrina raha tsy ara-dalàna ny Biraon’ny BCP.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap