airtel

Finoana

23-août-2022

Finoana

JMJ Mada 10 Maherin’ny 30.000 isa ny mpizaika andrasana

Sample post image

Maherin’ny 30.000 isa ny mpizaika andrasana ao Antsirabe ny 30 aogositra hatramin’ny 4 septambra izao mandritry ny andron’ny tanora andiany faha 10 na JMJ Mada 10 eto Madagasikara,

23-août-2022

raha ny fanazavana fanampiny voaray tetsy amin’ny Episcopat Antanimena omaly. 28.509 ireo efa nisoratra anarana. Miisa 16 ireo toerana handraisana ny mpizaika. Miisa 60 eo kosa ireo trano fatoriana sy fisakafoana. Ho fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny hetsika kosa dia hisy ny fitsirihana manokana ireo fiara hitondra ireo mpizaika izay hiandraiketan’ny ATT. Ho araha-maso koa ny mpamily. Entanina handeha atoandro ny mpizaika ary hanaja ny fandaminana, hoy ny mpitandro filaminana. Nampitomboina ny isan’ireo zandary, polisy, miaramila, manara-maso mandritry ny hetsika. Miisa 1300 kosa ireo fiara hitatitra ny mpizaika, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap