airtel

Finoana

30-août-2022

Finoana

JMJ MADA 2022 Amidy 2000 Ar ny iray kilao amin’ny vary ao Antsirabe

Sample post image

Tanora manodidina ny 3.000 isa no andrasana ho avy ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra manomboka amin’ity herinandro ity ao anatin’ny fanamarihana ilay andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny JMJ Mada taona 2022.

30-août-2022

Mba ho fanampiana ireo mpizaika ireo dia fantatra fa nandefa vary sy siramamy hamidy amin’ny vidiny mirary any amin’iny faritra iny ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana. Amidy 2.000 Ar ny iray kilao amin’ny vary raha 4.000 Ar kosa ny iray kilao amin’ny siramamy. Tanjona ny hanakaikezana hatrany ny mpanjifa amin’ny fanohanana ireo mpizaika raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra. Ankoatra izay dia fantatra fa hanara-maso ireo entana hamidy any an-toerana sy ny vidin’entana ihany koa ny fitaleovam-paritry ny ministeran’ny varotra ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Hojerena manokana ohatra ireo mpivarotra manararaotra mampiakatra vidin’entana. Toraka izany ihany koa ireo mivarotra entana simba na efa lany daty hisorohana ny loza mety hitranga. Tsiahivina moa fa efa saika an-dalana hiazo ny renivohitr’i Vakinankarara avokoa nanomboka omaly ireo mpizaika marobe ireo izay tsiahivina fa avy amin’ny fiangonana katolika.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap