airtel

Finoana

01-sept-2022

Finoana

JMJ Mada ao Antsirabe Nosokafana tamin’ny lamesa lehibe

Sample post image

Lamesa lehibe tao Mandaniresaka, 5 km miala ny tanànan’Antsirabe no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada andiany faha-10.

01-sept-2022

Nosakafana tamin’ny sora-dihy, famakiana ny hafatry ny Papa Fransoa ho an’ny tanora, ka nivoitra tao anatin’izany ny hoe: tsy tokony ho kivy ny tanora, manoloana ny tranga maro: hamehana sy krizy ara-pahasalamana niteraka fahasahiranana, ny ady any Ukraine. Manoloana ireo fahasarotana izay nampian’ny rivodoza, niantso ny tanora hitsangana, tsy hanaiky ho resin’ny fisalasalana, fa hanana vinavina, asa,… hanana fijery fahatokisana ny ho avy ny hafatry ny Papa, izay naneho fa tsy tokony ny hafa indray no andrasana. Notsipihina tao anatin’ny hafatra rahateo, fa ny tanora no tompon’ny ho avy. Hafaliana sy fahavononana moa no nanehoan’ireo tanora katolika ny fanokafana ny JMJ omaly. Manodidina ny 29 000 moa ireo tanora katolika avy amin’ireo diosezy manerana ny Nosy no miatrika ity JMJ Mada X atao any renivohitr’I Vakinankatra ity.
Toky R 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Iray lisitra lisitra amin’ny kandida depiote Alain Ratsimbazafy ao anatin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny mpitandrina Jonah Ranaivo.

Card image cap
15-avril-2024

Nankalaza ny fetin’ny Alahamadibe teny Ambohimanambola omaly ireo mpino sy mpankato ny fomba nentim-paharazana malagasy

Card image cap