airtel

Finoana

03-août-2026

Jobily faha-85

taonan’ny Toby Ankaramalaza

Sample post image

Niantso fiaraha-mientana ho an’ny Firenena ny PRRM…

03-août-2026

Nomarihina omaly alahady 02 aogositra ny Jobily faha 85 taonan’ny Toby lehibe Ankaramalaza, eo ambany fiahian’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao amin’ny Synôdam-Paritany Manakara. Natao tao anatin’ny fotoam-pivavahana lehibe sy fanokanana mpiandry miisa 613 izany, mihoatra noho ny 460 tamin’ny taona lasa. Nomena ny anarana hoe “Mampionona” ny andiany vaovao, mariky ny asa fanohizana ny Fifohazana. Nitarika ny fotoam-pivavahana ny Tonia FiFiL SP Manakara RAMANAMBITANA André David, ary ny Filohan’ny FLM Pastora Dr RAKOTOZAFY Denis no nanao ny toriteny, nifototra tamin’ny Lioka 12:42–48 sy ny teny fanevan’ny Jobily hoe: “Izaho Jehovah no Mpamonjy anao…” (Isaia 49:26d). Nanotrona ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël sy ny vadiny, notronin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana Jeneraly RABEARIMANANA Lucien, ary mpikambana maro ao amin’ny Governemanta. Nanasongadina ny Filohan’ny Fanavaozana fa mariky ny faharetan’ny asan’Andriamanitra ny Jobily faha 85 taona, ary na dia eo aza ny andraikitra maha Filoham-panjakana dia mbola mitazona ny finoany sy ny maha mpiandry azy izy. Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny “laïcité de l’État” sy ny fahalalahan’ny tsirairay hino, ary nanindry ny andinin’ny Mika 6:8: ny Fahamarinana, ny Famin-dram-po, ary ny Fanetren-tena ny Filohan’ny Fanavaozana. Nisy fanokanana tsangambato fahatsiarovana, izay voasoratra ao ny anaran’ny Filohan’ny FLM, ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ary ireo Filoham-pirenena teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery sy RAVALOMANANA Marc, izay samy tany an-toerana, herinandro teo ho eo taorian’ny fihaonan’izy 3 mirahalahy teny Iavoloha. Nanamafy ny hafatra momba ny firaisankina sy ny fitiavana izy ireo, naneho fa ny fanompoam-pirenena sy ny fandrosoana dia mitaky fiaraha-mientana sy fahamarinana. Namaranan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny fanambarany ny antso ho amin’ny fifampitondrana am-bavaka, mba tsy ho tia tena, tsy hifanilika, tsy ho tia kolikoly, fa hifankatia sy hifampitsinjo. Ny Jobily faha 85 taona tao Ankaramalaza dia nanjary sehatra lehibe nampifandray ny finoana sy ny fanompoam-pirenena, ary nanamafy indray ny maha fototra ny Fifohazana amin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny Firenena. Irariana mba tena hisy akony amin’ny fiainam-pirenena…
Toky R

 

Dans la même rubrique