fivondronana saha 203e, ao amin’ny FJKM Kristy Fehizoro Antsampanimahazo Ambohitrimanjaka dia hisy ny seho an-tsehatra ataon'ny Kerobima Ankatso ao an-toerana ny alahady 9 martsa 2025 ho avy izao, manomboka amin'ny 2 ora sy sasany, hoy ny fampitam-baovao voaray. «Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo!», hoy ny voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Matio 5 : 16a. Izay no teny filamatra noraisina ho fanamarihana izao fankalazàna izao. Ireo mponin’Ambohitrimanjaka tsy an-kanavaka kosa no asaina amin’ity hetsika fiderana an’Andriamanitra ity, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija