any Roma ny sabotsy izao ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina, sy Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Izy roa lahy no hisolo tena ny Fiangonana Katolika eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao, omaly hariva no nanaainga hihazo an’i Roma izy ireo. Ho an’ny Kardinaly Tsarahazana, dia hitohy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fivorian’ireo kardinaly sy ny « conclave » ny fivahinianany any amin’ny Tanàna Masina. Nambaran’ny Kardinaly omaly teny Antanimena fa zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahafahana mandray anjara amin’ny « conclave », ka nangataka vavaka ho fanohanana amin’izany andraikitra lehibe izany izy. Raha tsiahivina, miisa 138 ireo kardinaly latsaky ny 80 taona afaka mandray anjara amin’ny fifidianana, ka anisan’i ny Kardinalin’i Madagasikara. Marihina fa sambany no handray anjara amin’ny « conclave » ny Arsevekan’i Toamasina, ary izy no Malagasy fahatelo hanatrika fifidianana Papa, taorian’ny Kardinaly Victor Razafimahatratra sy ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra. Araka ny fanambarany omaly dia tsy hiverina eto an-tanindrazana izy raha tsy vita tanteraka ny fifidianana Papa vaovao.Bas du formulaire “Tsy hitodi-doha eto Madagasikara izy araka ny nambarany raha tsy vita izay fifidianana izay”.
Toky R