airtel

Finoana

11-avril-2023

Finoana

Kardinaly Desiré Tsarahazana • Nihemotra isika • Aza ny bizina no hirotsahan-kofidiana..

Sample post image

Ny alahelo mody hafaliana, ny hakiviana lasa fanantenana satria nitsangana tamin’ny maty I Jesoa Kristy, nandresy ny herin’ny fahafatesana

11-avril-2023

hoy ny Kardinaly Desiré Tsarahazana nandritra hafatra paska niantefa tamin’ny Malagasy tsy an-kanakavaka. Fakam-panahy mety hahazo antsika, hoy izy, ny hakiviana manoloana ny zava-misy mitranga sy iainana. Mba handroso ihany ve ity Nosintsika ity? 63 taona latsaka kely izao no nahazoana fahaleovantena, iarahantsika mahita ny toerana misy azy. Mandainga kosa ny filazana, hoy izy, fa tsy misy zavatra miova eto amintsika, raha tsy hilaza afatsy ny fifandraisana an-telefaonina saika mandrakotra ny toerana maro na any ambanivohitra lavitra aza, ny fotodrafitrasa maro vita toy ny hopitaly, sekoly, fanampiana maro ataon’ny tompon’andraikitra hamonjena ny sahirana toy ny tamin’ny valanaretina sy ireo traboina,… Nahitsy anefa ny kardinaly Desiré Tsarahazana nilaza fa mibaribary toy ny vay an-kandrina ka tsy hay hafenina ny fihemorana hita. Ohatra, ahitana 2Chevaux na 4L simba any ambanivohitra any izay midika fa nisy fifamoivoizana tany aloha, ny fisian’ny lalamby nitatitra entana, ny orinasa teo aloha efa tsy re anarana intsony,… Asa na fandrosoana na fihemorana fa maro ny seranam-piaramanidina efa tsy miasa intsony ? hoy izy. Ny tena loza sanatria tsy manozona fa milaza ny zava-misy, fa tsy handroso mihitsy isika raha tsy miova ny toe-tsaina baranahiny, ny tsy firaharahiana ny soa iombonana, ny fihatsaram-belatsihy ka hafa ny zavatra tenenina ary hafa ny atao, ny vola no mibaiko ny rehetra, kanefa izany rehetra izany dia mitarika amin’ny tsy fandriampahalemana, hoy izy. Efa mankaleo ihany koa raha ny nambarany ny miteny azy fa tsy maintsy tenenina ihany ny fisian’ny kolikoly amin’ny ambaratongan’asa amin’ny sehatr’asa rehetra miatomboka amin’ny farany ambany ka hatrany amin’ny farany ambony. Ny fandresena ny ratsy anefa no tompon’ny teny farany, nilazany fa vitantsika ny mampandroso haingana ity firenena ity.


“AZA ATAO BIZINESY NY FIFIDIANANA, AMPANDROSOY ISAM-PARITRA”
“Hiatrika fifidianana isika amin’ity taona ity, mety halaim-panahy hamadika an’I Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo madinika ny kandida amin’ny fividianana ny safidy, amin’ny fanambatambazana ny vahoaka madinika amin’ny fanomezana ivelany. Enga anie ka tsy ho fitiavana hanao bizinesy no hirotsahan’ireo kandida hiroso amin’izao fifidianana izao, fa fitiavana marina hampandroso an’I Madagasikara”, hoy io Lehibem-piangonana io. Notsipihiny ihany koa fa mandroso malaky isika raha tompon’andraikitra marina amin’ny fampandrosoana misy azy ny olona tsirairay. Raha ny vola miditra amin’ny Faritanin’I Toamasina, ohatra, no hampandrosoana an’I Toamasina dia efa ela no nampamirapitra azy. “Amporisihina ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena mba hampihatra marina ny fampandrosoana isa-paritra, ka ny olona mipetraka ao no mahalala ny zavatra ilainy. Handroso malaky raha tsara tantana ny zava-misy eto amintsika », hoy hatrany ny Kardinaly Desiré Tsarahazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap