Nahitsy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana nandritra ny toriteniny tao Toamasina ny 30 novambra teo hoe : « anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fahantran’i Madagasikara isika kristianina ». Lasa finoana ivelany fotsiny no betsaka eto amintsika, ka matetika ny vavaka ataontsika dia lasa sinemà, fa tsy fiovam-po sy fiovam-piainana, hoy izy. 95 hatramin’ny 98-nn'ireo tompon'andraiikitra sy mpitantana amin'ny andrim-panjakana, tompon'andraikitra ambony, mpandraharaha, mpisehatra amin'ny lafiny sosialy sy toekarena dia mitonona ho kristianina kanefa voafetra amin'ny endrika.ivelany ihany izany. Miainga hatrany ambany ka hatrany ambony mitonona ho krisitianina avokoa, nefa mbola midina anaty fahantrana sy kolikoly ny firenena, ary matetika ireo milaza ho mpino mihitsy no voalaza fa manao izany. “Raha tena Kristianina isika, nahoana no tsy hita amin’ny fiainana andavanandro izany finoana izany», hoy ity Raiamandreny am-panahy ity. Lasa kristianina anarana, manao sinema,… ka ny fivavahana marina dia ny fiainana aloha no miova. Mila mandinin-tena ny tsirairay hoe manahoana marina ? Mila mandinin-tena ny mpino mba hiovany fo ka tena ho fitaovana marina amin'ny fampandrosoana ny firenena ny maha kristiana azy, raha ny toritenin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana miantso fiovana amin’ny kristianina.
Toky R
.