airtel

Finoana

15-févr-2023

Finoana

Komitin’ny fianakaviana eo anivon’ny FJKM Mampianatra ny mpifankatia, ny mpivady tena hahay hifankatia

Sample post image

Betsaka ireo olona manana olana ara-pitiavana amin’izao. Tsy vitsy noho izany ireo mahavita mamono tena sy mamoy fo mihitsy antony hijoroan’ny fiangonana Fjkm amin’ny alalan’ny komitin’ny fianakaviana.

15-févr-2023

Toy ny isan-taona dia tsy manadino ny mankalaza ny fetin’ny mpifankatia izy ireo. Tetsy amin’ny fiangonana katedraly Analakely no nisantarany izany omaly ka hisy ny fampianarana isan’andro natokana ho an’ireo mpivady, mpifankatia ary mpifamofo. Vontom-pitia no anarana nampitondraina io hetsika io izay hifarana amin’ny Sabotsy izao. Tanjona ny hanoroana hevitra ny olon-droa vao mifamofo na mpifankatia tsy hanandrakandrana mba tsy hanimba fiainana. Tsy maintsy mianatra ilay fitiavan’i Jesosy Kristy izay nahavita nanolotra ny ainy ho an’ny sakaizany hoy Ranaivo Andriambahiny Lova, anisan’ny komitin’ny fianakaviana vao mahavita sy mahay mitia ny vadiny na ny olon-tiany. Tsy ilana tambiny izany hoy izy na hiandrasana valiny fa tena omena amim-pitiavana tokoa. Ho an’ny omaly manokana dia nahatratra 70 isa ireo mpivady tonga nandray anjara sy nanatrika izany tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : fitiavana mamono antoka.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana omaly tetsy amin’ny Fjkm katedraly Analakely
 

Dans la même rubrique