Fahatsiarovana ny nahafahantsika tamin’ny fanandevozan’ny frantsay ny fahaleovantena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Mbola tsy misy ny fahafahana anefa, raha dinihina ankehitriny ny eto Madagasikara, hoy izy. Mbola tsy mahaleontena i Madagasikara fa mbola miankin-doha be dia be amin’ny any ivelany. Ny olona notendrena dia tsy maintsy manaraka tenin’ny «patron» na ilay naniraka. Ohatran’ilay resaka fokontany io hoe rehefa tsy fidian’ny vahoaka ny filoham-pokontany dia tsy hisy fifidianana madio mangarahara eto Madagasikara. Ny olona nanendry, nanome vola anao no hikarakara anao dia lojika ianao raha hitodika any. Mila mifidy filoham-pokontany ny vahoaka hipetrahan’ny fahatokisana tsara. Fialana amin’ny fanandevozana miainga avy any ifotony izany. Nanomboka tamin’ny tsy fahasahiana miniana amin’ny baiboly io, raha dinihina ihany koa. Raha ho any Frantsa ao, ohatra, tsy maintsy hanaraka ny fomba frantsay. Izay angamba no nahatonga ny filoham-pirenentsika tsy nahasahy nametraka tanana tamin’ny baiboly intsony satria mety efa nanao fianianana tany amin’ny firenena Frantsay izy. Mila miova hatramin’ny teny ampiasaina anaty lalàmpanorenana eto fa tsy teny frantsay mora roritina amin’izay tiana androritana azy. Malagasy isika ka teny Malagasy no tokony ampiasaina. Tsy matoky ny fitondrana intsony izao ny vahoaka dia manjaka ny fitsaram-bahoaka. Tokony dinihina maika ny mikasika ity tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ity. Mila alamina koa ny fepetra mikasika ny fifidianana. Azo atao mialohan’ny fifidianana ny fifanarahana rehetra satria novambra isika vao hifidy. Afaka mifanatona sy mifandinika ny herivelona rehetra hatramin’ny mpanohitra sy mpitondra aloha, hoy hatrany ny tenany, raha tena tia tanindrazana.
J. Mirija