airtel

Finoana

15-déc-2021

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Betsaka mpaminanin’i Satana eto”

Sample post image

Iaraha-mahalala, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa ny fahapotehan’ny tontolo iainana ankehitriny no mampiovaova ny toetr’andro.

15-déc-2021

 Betsaka no mahatonga izany, hoy izy. Eo ny ozinina mamoaka entona, ny doro tanety, ny famotehana ny ala izay tokony hanome rano amin’ny andro mafana toy izao rehefa mankeny amin’ny habakabaka ny entona aminy. Potika ny ala ary miha ritra izy eto Madagasikara. Mila hentitra ny fomba fambolen-kazo. Betsaka ny hazo maniry, raha tsy hilaza ny kininina ao Manjakandriana, ohatra. Ireny anefa dia isan’ny manimba tontolo iainana koa satria mifoka rano ary mandritra loharano ny fakany. Manimba azy koa ny tantsaha manao saribao. Hambolena katsaka sy mangahazo avy eo ilay toerana, toy izay hita amin’iny faritr’I Betsimisaraka iny. Ilaina ny fampianarana ny tantsaha hikolo ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny famadibadihana ny tany efa misy hampanjary ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiasana zezika biolojika maha lonaka ny tany sy hisarika azy ireo tsy hanapaka ala intsony. Manana andraikitra maro ny fitondram-panjakana satria vola amina miliara maro no natokana hanatsarana ny tontolo iainana nefa toa tsy misy fiantraikany any amin’ny tontolo ambanivohitra loatra? Tokony entanina hikarakara ny tontolo iainany ireo tantsaha manamorona ala satria matetika tsy voajery ireny. Ohatra amin’izany izao io Mandraka io, ao ny JIRAMA, ny Andekaleka. Mila ampianarina tsy hamotika ala intsony fa hiompy tantely, ohatra, ny mponina ao anatin’ireny. Manoloana ny zava-misy sy amin’ny maha Kristianina dia hita fa be dia be izao ny mpaminany toa maminany zava-dratsy foana! Faminaniana avy amin’ny Satana no tena hita amin’izao ary betsaka mpaminanin’i Satana eto satria, raha ireo naminany tao anaty baiboly dia saika nanome vahaolana hisorohana ny loza tsy hitranga foana. Ohatra amin’ireny i Jonah tao Ninive sy i Josefa raha naminany mikasika an’i Egypta, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap