Miandrandra fampandrosoana ankehitriny ny vahoaka malagasy, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Iarahantsika mahalala, hoy izy, fa tena sarotra ny fiainana eto Madagasikara. Betsaka ny ataontsika hoe olana tokony ho vahàna. Tokony ho fantatr’ireo mpamatsy vola sy ireo SADC ireo ny tena filàn’ny malagasy. Tena niha mafy tato anatin’ity fitondràna ity ny delestazy sy ny tsy fisian-drano. Manampy ny fahorian’ny olona nefa ilay izy satria lasa vidiana ny rano izay efa zara raha misy no vidiana amin’ny vidiny lafo dia lafo. Izany no hita, raha tsy hijery afa-tsy ny eto Antananarivo, nefa ny vola miditra amin’ny vahoaka koa dia tena kely ary atao hoe efa tsy afaka misakafo in-telo isan’andro intsony ny maro amin’izao fotoana izao. Ny ara-tsakafo no tena mampahantra antsika ary rehefa tsy ampy ny sakafo dia reraka ny olona. Rehefa ampy ny sakafo, afaka mamokatra tsara ny olona tsirairay dia miadana ny vahoaka malagasy. Tahakan’ny valala voatango ny malagasy ankehitriny. Mila ezaka avy amin’ny fitondràm-panjakàna mba tena hitondra soa ho an’ny vahoaka malagasy ny resaka aroso rehetra ao anatin’izao fihaonana an-tampon’ny SADC izao. Misy foana ny azo antenaina saingy rehefa tsy afa-mamokatra ny vahoaka dia tsy afa-manantena na inona na inona isika. Betsaka ny akora tokony ahondrana eto fa tena ilaina betsaka aloha ny famatsiana ara-bola an’ireo tantsaha ahafahany mamokatra. Ilaina koa ny filaminana eto Madagasikara. Rehefa tsy misy koa ny fandriampahalemana dia tsy afa-mamokatra mihitsy isika. Rehefa tsy misy ny vokatra ahondrana dia miha mitotongana toy io ny devizintsika, hany ka lasa taraiky isika. Tsy misy vola vahiny miditra tsinona eto Madagasikara rehefa izay no fipetrany. Tokony hihena ny vidim-piainana raha afa-mamokatra tsara ireo mpandraharaha! Io olan’ny JIRAMA amin’izao io izao dia ahitàna fa tena tsy ampy ny solika eto Madagasikara. Tsy ampy ny famatsiana izany amin’ireo karazan’angovo. Raha tena manam-bola ny fanjakàna, tsy tokony ho tapaka mihitsy ny herinaratra. Tsy voafehy mihitsy hatramin’izao ilay JIRAMA ka mila tetikasa maika dia maika toy ny fanaovana barazy na tohadrano. Eo koa ny fanaovana fakàna angovo avy amin’ny masoandro haingana dia haingana. Ny tsy fisian’izany rehetra izany izao dia efa tsy ahafaha-mamokatra, hoy hatrany ity Kristianina mandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija