airtel

Finoana

04-janv-2023

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Hiteraka fahantrana ho antsika ny famotehana ny tantsaha”

Sample post image

Tena anaty fotoam-pambolena isika, raha ny mikasika ny tantsaha no ambara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, nefa hita ho tena miady irery koa izao ny tantsaha.

04-janv-2023

Mafy ny mahazo azy, hoy izy. Eo ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian’ny zezika satria na inona atao rehefa io no tsy ampy dia tsy afaka hamokatra ny tantsaha. Rehefa ny tany no tsy voavolavola sy voavadibadika ary tsy ampy ny singa ao aminy dia tsy hamokatra mihitsy izy. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana mikasika ny hoe aiza marina ny tena tokony hanampiana ireto tantsaha ireto? Toa vao mainka mahantra ilay tantsaha satria ny vidin-jezika dia efa any amin’ny 200.000 Ariary any raha 11-22-16? Ny ankamaroan’ny tantsaha izao dia miditra amin’ny fampiasana zezi-pahitra na fako amboamboarin’izy ireo. Ny omby kely teo am-pelatanana aza lasan’ny dahalo indray nefa tsy afa-misaraka amin’ny tantsaha. Izany no mahatonga ny fihenan’ny vokatra be dia be eto Madagasikara fa tsy hoe fanaovana vary ketsa na fivarotana masomboly araka ny nambaran’ilay tompon’andraikitry ny minisitera farany teo iny. Eo koa ny toetry ny andro. Nalady avy nefa ny orana tamin’ity taona ity ka enga anie hitohy. Tsy tokony hanafatra vary izany isika raha tena voatrandraka ireny barazy rehetra ireny. Mila olona tena mahalala tsara ny ilain’ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra isika. Hiteraka fahantrana ho antsika ny famotehana ny tantsaha. Firenena tsy ampy hanina no manafatra sakafo. Raha izao velarantanin’I Madagasikara izao nefa tokony tsy hanafatra vary na sakafo avy any ivelany mihitsy fa isika tena ilaina mifanampy amin’ny alalan’ny fanamorana ny fanafarana fitaovana iasan’izy ireo. Tokony tsy hisy hetra alain’ny fadin-tseranana amin’ireny. Ny tena tantsaha rehefa miakatra io vokatra io dia tsy maintsy manala masomboly hitsinjovany ny voly hoavy. Mirary ny soa indrindra ho an’ny tantsaha sy ny malagasy rehetra ho eo ambanin’ny fitahian’ny Tompo mandritr’ity 2023 ity, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
Legende: Ralaiarimanana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap