airtel

Finoana

03-déc-2024

Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Manimba firenena io tsy fahaizana mifidy io»

Sample post image

Ekena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa natao hakàna ny fon’ny olona izany propagandy izany.

03-déc-2024

Tokony hitandrina ihany nefa, hoy izy, ny tsirairay ao anatin’izany ary handinika tsara hoe manao ahoana ny olona tokony hitondra ao amin’ny fireneny? Eo ihany koa no itaràfana ny toetsain’ny tsirairay avy. Indrindra ho an’ireo mpanohana kandida dia tsy tokony hifanaratsy aloha voalohany fa tokony hanabe ny olona ary mahalala ny tokony atao. Tokony toetra maneho fitiavana no aseho. Maodely na amin’ny toetra na fihetsika. Ny fihetsikao sy ny fiteninao no hitaràfana ny kandidà tohananao. Manara-maso ve ny tomponandraikitra manoloana ireny fifanaratsiana ireny? Mampametra-panontaniana hoe misy lalàna ve eto amintsika sa tsia fa toa mitaza-potsiny ireo tomponandraikitra toy ny CENI? Ny fijoroana amin’ny fahamarinana no angatahana satria ny fahamarinana ihany no hampandroso an’i Madagasikara. Saika ny 80%n’ny malagasy izao dia mahantra. Rehefa mahantra moa ny olona dia azo vidiana sy tambazana. Tsy fantany intsony tsinona izay hitondràny ny tenany amin’ny fiainana, indrindra, ny hoavin’ny taranany. Tsy fantany intsony koa hoe inona izany ben’ny tanàna na solombavambahoaka izany? Ny fantatr’izy ireo rehefa tonga ny fotoam-pifidianana tahaka izao dia izay olona manome hanina na zavatra ho azy no heveriny ho olona tsara sy azo antenaina hanavotra azy eto Madagasikara. Manainga ireo mpifidy aho anefa mba tsy ho variana amin’ireny zava-mandalo ireny. Androany ianao no mahazo vola, mety hahazo 100.000 Ariary na mihoatra, saingy ianao io ihany no hitaraina afaka herinandro na tapa-bolana hoe toa vao mainka niha ratsy izany toe-draharaha izany, hoy hatrany ny tenany? Manimba firenena io tsy fahaizana mifidy io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique