Tsy ampy ho an’olona intsony ny vola miditra ao amin’ny tokantrano tsirairay satria noho ny fiakaran’ny vidim-piainana dia henjana ny adin’ny isan-tokantrano amin’izao fotoana izao, hoy izy. Tokony hiady amin’ny fambabon’ny frantsay isika. Tsy misy vahaolana afa-tsy ny famokarana amin’ny tanintsika. Mijaly nefa ny vahoaka mamokatra amin’izao fotoana izao ka tokony any no jerena manokana. Mila filoham-pirenena mahafehy programa isika. Izay no tokony ho jerena amin’ny fifidianana. Filoham-pirenena tsy mivadibadika amin’izay noteneniny. Tsy manilika ny andraikiny amin’ny hafa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany