airtel

Finoana

18-févr-2022

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Olona tena mahalala ny filam-bahoaka no ilaina”

Sample post image

Namerina hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa tsy misy afa-tsy ny fitodihana amin’Andriamanitra amin’izay rehetra atao ihany no mahatafavoaka eto amin’ity firenena ity.

18-févr-2022

Maodely eto amin’ny tany sy ny firenena ny mpitondra, hoy izy. Hitantsika fa mikorontana izao tontolo izao sy ny fiainam-bahoaka. Isika mpitondra anefa, hoy aho, no maodely ka ataovy amin’ny fahamarinana sy hitsiny ny atao mba ho tarafin’ny rehetra. Izao mahazo izao indraindray efa kapok’Andriamanitra ihany fa raha misy olona manao ny marina dia tsy ho aringana ity Madagasikara ity. Mandalo ady sarotra ny vahoaka amin’izao fotoana izao ka na ny hanina ho hanina aza dia tena mbola manahirana azy. Tokony hijoro ho raiamandreny marina ny mpitondra sy ny mpanabe rehetra ary hametraka ambony ny fifankatiavana eo amin’ny samy vahoaka. Aza 4x4 no vidiana ho an’ny zanakao raha noana izy! Jereo izay maika sy ilain’ny vahoaka! Vonona ve ny masomboly ho an’ny tantsaha satria raha zarina omena foana koa ny vahoaka fa tsy hiasa dia tsy ho tafarina ity firenena ity. Omeo sakafo aloha izy dia avy eo omeo asa. Omeo masomboly maika dia maika ahafahany mamokotra anatin’izao mbola avy orana izao. Olona tena mahalala ny filam-bahoaka ampidirina anaty governemanta, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique