airtel

Finoana

04-nov-2022

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Tsy afaka hampandroso izay tsy mahay mihaino”

Sample post image

Ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika izao no hitanay ho zava-dehibe, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

04-nov-2022

Manana zavaboary tsara dia tsara isika, hoy izy, raha tsy hiresaka ny ao Nosy be, ohatra. Ireny sy ny ala eto amintsika aloha amiko no tena tokony arovana mafy. Ny zava-misy ao aminy no mampalaza ny firenena iray fa tsy fanaovana dika mitovy zava-misy any ivelany. Ny biby ato aloha no tokony ho kolokoloina tsara sy hisintomana vahiny. Mikasika ny toe-draharaha politika dia zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena hijerena ny mahasoa an’I Madagasikara. Raha tsy mifankatia ny malagasy dia mbola hisy lolom-po foana amin’izay rehetra atao na inona na inona. Ilaina noho izany ny firaisankina sy fivondronana. Iray ihany isika malagasy ary tsy misy hafa raha dinihina. Ny hampandroso an’I Madagasikara. Ilaina ny mifanatona sy mifamela heloka ary mifandinika amin’ny zava-drehetra. Tsy mitondra soa ny fifandroritana, hoy hatrany izy, satria tsy afaka hampandroso an’I Madagasikara na oviana izay tsy mahay mihaino ny feon’ny maro sy ny vahoaka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap