airtel

Finoana

20-mars-2023

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Tsy mahagaga raha misy ny ady an-trano”

Sample post image

Tsy mahagaga, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, raha misy ny ady an-trano na zava-mamoha henatra, izany hoe “scandale”,

20-mars-2023

maro isan-karazany eo amin’ny fitondram-panjakana satria zava-poana ny zavatra tsy miorina ambony vatolampy. Betsaka, hoy izy, ny tsy mametraka ny olany sy fiainany eo am-pelantanan’Andriamanitra fa ny maha maika ny olona amin’izao fotoana dia ny voninahitra sy seza. Raha ireo rehetra ireo no tadiavina dia tsy aharitra. Raha mikatsaka ny tombotsoam-bahoaka marina ianao dia tokony hahatsapa fa na io fiovaovan’ny governemanta matetika io aza dia midika fiovaovan-tsaina miasa ao isaky ny mihetsika koa. Izay apetraka ao dia tsy misy mieritreritra sy mitaintaina afa-tsy ny hoe rahoviana aho no mety hiala eto. Manainga ireo mpitondra sy ny rehetra noho izany hanankina ny fiainantsika amin’Andriamanitra. Matoa misy ny fivakisana eo amin’ny samy mpitondra dia midika mazava izany fa misy tsy milamina ao. Ireny no mampiseho fa misy tsy mandeha sy tsy mety ao. Na ny vehivavy hanamarika ny androny aza nosakanana teto. Sary ratsy ho an’ny fitondrana ireny, hoy hatrany ity Kristianina mandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap