airtel

Finoana

11-juin-2025

Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Tsy vono mivantana ihany no mamono olona

Sample post image

fa ny famonoana fihariana toy izao » Hatramin’izay niverenana teto Antananarivo izay,

11-juin-2025

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, dia tsikaritra ho tena miha mafy ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy ity. Ho anay izao ety amin’ny faritr’Andravoahangy sy Manjakaray, hoy izy, miala maraina ianao efa tapaka ny herinaratra. Atoandro miasa, tapatapaka ny jiro. Ny hariva moa dia maraina vao miverina. Fatiantoka amin’ny fihariana no vokatr’izany. Inona ihany no olan’ny fitondràm-panjakàna tsy hamahana tanteraka ilay olan’ny JIRAMA? Tsy vono mivantana ihany no mamono olona fa famonoana fihariana toy izao koa. Tonga ny delestazy dia tsy afa-mamokatra ny olona. Potika ny fitaovana ao an-tranony. Simba ny abobo na Yaourt anaty vata fampangatsiahana. Toy izany koa ny hazandrano mila tehirizina. Na ny mpandraharaha na ny mpamatsy vokatra samy maty antoko daholo anatin’izany rehetra izany. Firifiry moa ireo maty tany amin’ny hopitaly noho io olan’ny JIRAMA io? Anjaran’ny fitondràm-panjakàna ny misahana ny sosialim-bahoaka toy ny resaka fahasalamana, lalana, herinaratra, rano, fampianarana, fandriampahalemana, izany rehetra izany, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique