airtel

Finoana

12-oct-2021

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Vahaolana maika ny fanampiana ireo tantsaha”

Sample post image

Tsy henoheno intsony ny resaka Covid 19 ankehitriny, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana,

12-oct-2021

 ary isaorana an’Andriamanitra fa lefy izany. Maresaka indray izao ny politika, hoy izy. Maika anefa ny sosialy izay tena mampijaly ny vahoaka ankehitriny. Betsaka ny olona efa tsy mihinan-kanina intsony. Raha mandeha any ambanimbanivohitra any ianao dia misy zara raha mahita vary iray kapoaka ny olona 7 mianaka. Tsy an’asa ny ankamaroan’ny olona. Tokony hifantoka betsaka amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondrana, indrindra, anatin’izao akatoky ny fahavaratra izao. Ahoana no hahafahana mamokatra aingana sy betsaka eto Madagasikara? Tsy takatry ny tantsaha izao ny vidin-jezika. Vahaolana haingana amiko, raha mihaino ny fitondram-panjakana, dia izay lafiny famokarana sy fijerena ny fandriampahalemana izay. Tsy ny hanenjika firenena matanjaka aloha no maha maika fa izany fanafarana sakafo amina sambo miisa 20 izany dia mitory fa mahantra isika satria tsy misy sakafo ato amintsika. Nanondrana sakafo tany ivelany isika raha tena matanjaka. Sazy sahaza no tokony omena ny manao ny tsy mety. Raha mangalatra mangahazo iray sobika dia tokony asaina mamboly amin’ny tany 1ha, ohatra, satria mbola malalaka ny tany eto dia azy ihany iny rehefa vokatra. Gadraina mandra-pahafaty ny mpangalatra omby. Vahaolana maika izao, hoy hatrany izy, ny fanampiana ireo tantsaha.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap