airtel

Finoana

14-sept-2021

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Variana amin’ny ady politika isika”

Sample post image

Samy mandia fotoan-tsarotra ankehitriny na ny mpanohitra na ny mpitondra eto Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

14-sept-2021

 Miainga amin’ny fatokisan’ireo mpamatsy vola antsika ny zava-drehetra eto, hoy izy. Mila hafetsena sy fahamatorana izany. Mila jerena ny fomba famindra sy fitantanana izay tokony hifantoka amin’ny tontolo ambanivohitra sy sosialim-bahoaka. Mikaikaika amin’ny fahasarotam-piainana ny vahoaka Malagasy ankehitriny nefa raha ny politika misy eto tsy hahavaha izany. Maika ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Ahoana ny hifehezana ny vidin-javatra eny an-tsena? Mila ahena daholo ny any amin’ny fadin-tseranana na Ladoany rehetra any. Miakatra daholo ny vidina entana ilaina an-davan’andro sy ny menaka ary hiakatra koa ny vidim-bary raha izao satria hiditra maitso ahitra isika. Mifandrirotra izao ny mpanao politika ary variana amin’ny ady politika isika fa tsy mifantoka amin’ny fampandrosoana. Tsy mijery ny tena ilaina isika nefa tokony hifanohana sy hifanome hevitra, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique