airtel

Finoana

08-juin-2023

Finoana

Krizy sy fahantrana mamely Mila vavaka ny firenena

Sample post image

Tena mila vavaka ny firenentsika manoloana ireo olana maro samihafa mitranga ankehitriny.

08-juin-2023

Ankoatra ireo mpitondra dia mila izany ihany koa ny firenena sy ireo vahoaka ao aminy indrindra amin’izao hankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona, tsingerin-taona faha-63 nahazoantsika ny fahaleovantena izao. Tsy diso anjara tamin’izany ny kaominina Talatamaty omaly, notarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Tao amin’ny FJKM Betela Tanjondava no nanatanterahana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana mifandraika amin’izany izay nahavory olona marobe tokoa. Nambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra nitondra ny tenin’Andriamanitra omaly fa sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra izao. Izany indrindra no antom-pisian’ny vavaka niombonam-po tahaka ireny izay tokony ho fitaratra sy maodely ho an’ny kaominina rehetra, indrindra fa ny mpitondra.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanàna nanokatra ny fotoam-bavaka tao amin’ny FJKM Betela Tanjondava Talatamaty
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap