airtel

Finoana

16-janv-2023

Finoana

Mahery vaika ny hafatry ny FJKM « Fampandrosoana ny toekarena fa tsy basy no hahatafavoaka »

Sample post image

Fotoan-dehibe nitondrana am-bavaka ny taom-piasana ho an’ny taona 2023 sy Filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahasoa Ammi mianakavy ny andron’ny omaly 15 janoary 2023 tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe.

16-janv-2023

Tonga maro ireo mpino FJKM sy ireo vahiny manan-kaja samihafa, nahitana ny avy amin’ny Fitondram-panjakana. Nitondra hafatra lehibe momba ny raharaham-pirenena ny FJKM tao anatin’ny toritenin’ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy-Foibe FJKM. Misy zavatra tokony lazaina, lazain’ny fiangonana amin’ny maha mpitilin’ny firenena azy, hoy izyy, ka nilazany sy namerimberanany fa hampananosarotra ny fiainana ara-politika ny fisian’ny hala-bato. « Amin’izao taom-pifidianana izao, manasarotra ny olana ara-politika ny fisian’ny hala-bato, ary manasarotra ny famahana olana. Isika indray ve no hampianarina fa lafo ny sandan’izany: tsy marin-toerana izay mitondra eo fa ny ataony dia manao ilay antsoina hoe: “clientélisme” sy “intimidation””, hoy ity Mpitandrina ity. Nahitsy noho izany izy nilaza fa vidian-dafo any amin’ny toekarena ny hala-bato satria satria tsy misy fampandrosoana mety handeha , misy firenena fahadimy avy any amin’ny gisitra, tsy mandeha ny fiainam-pirenena mandeha, tsy misy fiainam-bahoaka mandeha,… Raha henoina ny feon’ny olona izay entintsika hoe: inona no makany am-bilaninay, fa androany ianao mba manontania olona fa nisy nangalatra aza ny vilaniny, namidy ilay vilaniny ka inona intsony ny hoanina. Izany no zavatra vokany rehefa manjaka ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny, hoy io Mpitandrina io. Notsipihiny ihany koa fa izay hampandroso ny toekarena no tokony hojerena. “Izay ampandroso ny toekarena sy ny famokarana no hilofosy. Raha te ho tafavoaka ianao, tsy ny herin’ny miaramila no hahatafavoaka anao fa ny herin’ny toekarena sy ny famokarana mandroso. Raha hatao ara-bakiteny, ahenao ny tetibolan’ny tafika dia ampitomboy ny tetibolan’ny fampamokarana sy famokarana. Raha tiana handroso ny firenena, dia ny fanarenana ny toekarena no hilofosy mafy fa milamina io firenena. Mitombo ny an’asa rehefa mitombo ny toekarena”, hoy hatrany ny Mpitandrina, izay nanipika fa politika tsara tantana, fa tsy ny tafika no vahaolana raha te hahomby. Nandray ohatra ihany koa izy, fa 3,3 miliara dolara ny vola omenantsika ho an’ny taona iray, mihoatra lavitra noho izany ny tahirin’arena an-kibon’ny tany dia mahatratra 800 miliara dolara ny tahirin-karena an-kibon’ny tany fotsiny. Tsy fanampiana noho izany no tokony hivelomana fa ny fampivoarana ny fiainam-pirenena, mba hanjaka ny fahamarinana sy ny rariny, fa tsy rariny ny hala-bato, ny halatra sy ny zara vilana amin’ny harem-pirenena. Zavatra iray nanaitra ihany koa ny nilazany fa ny biby fiompy eto no tokony hampitomboina fa tsy mainka hampiditra zavatra hafa, ny maha zava-dehibe ny rano,… Noraisina ho ohatra ny hoe:150 kg isan’andro ny zava-maniry lanin’ny elafanta, 10 litatra no indray mitroka, ka mahalany 150L isan’andro. Mampidira elefanta eo dia apetraho amin’ny ranon’Anosy fa herinandron io dia ritra, hoy izy, somary nanao sarisary sary tenany.


Manana adidy hampianatra, hanoro sy hanitsy eo anatrehan’ny fiainam-pirenena moa ny Fiangonana, ka nanipika hatrany io Raiamandreny am-panahy eo anivon’ny FJKM io, fa raha ny andevon-karena andevom-pahefana, andevon’ny fitiavan-tena no lasa mpitondra firenena dia tsy ho tafavoaka, ka mila olona tia fahamarinana sy tia ny rariny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap