tany iray, mitombo an’aliny isan-taona ny mpino»
Natao ny fanompoam-pivavahana fahatsiarovana ny 15 martsa tao amin’ny fiangonana Cheongju an’ny Shincheonji Fiangonan’i Jesosy. Ara-tantara, ny fanoloran-tena sy ny fahatokisana tanteraka nananan’ireo mpino voalohany, izay nanomboka 42 taona lasa izay tao amin’ny efitra ambany tany iray, dia tonga voa izay naniry ho fanavaozana ka manintona mpino an’aliny avy any amin’ny firenena rehetra isan-taona, raha ny fanazavana. Fototr'ity fitomboana ity ny foto-pinoana tsy mihozongozona miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay tena fototry ny finoana marina. Shincheonji Fiangonan’i Jesosy, ny Tempolin’ny Tabernakelin’ny Vavolombelona (izay tarihin’ny Filoha Lee Man-hee ; antsoina hoe « Shincheonji Fiangonan’i Jesosy »), dia fiangonana kristiana mitombo haingana any Korea atsimo, raha ny fanamarihana. Ny fanompoam-pivavahana natao ny 15 martsa teo dia fotoana niverenana nijery ny 42 taona lasa hatramin’ny nanorenana azy, nanehoana ny fisaorana noho ny sorona nataon’i Jesosy, ny maritiora ary ny mpisava làlana tamin’ny finoana, ary nanamafisana indray ny foto-kevitry ny « finoana mifototra amin’ny Teny ». Tamin’io andro io, mpino mpikambana mihoatra ny 2 000 no nanatrika mivantana ny fanompoam-pivavahana, ary maro ny mpino avy any Korea atsimo sy any amin’ny firenena vahiny no nanaraka mivantana tamin’ny alalan’ny fandaharana an-tserasera, izay nanome lanjany fanampiny ny hetsika. Ankehitriny, Shincheonji dia fiangonana ekena manerantany izay ahitana fiangonana 969 any Korea atsimo sy fiangonana 14 347 any amin’ny firenena miisa 89, ka anisany i Madagasikara. Manana mpikambana mihoatra ny 400 000 izy izao. Isan-taona, mihoatra ny 50 000 ny mpianatra no mankalaza ny fandraisana ny diplaoman’ny foibe fampianarana Teny ao amin’ny Ivontoerana Misiona Kristiana Ziona an’ny Shincheonji, hoy ny tatitra.
Nangonin'i Toky R