airtel

Finoana

22-sept-2021

Finoana

Marc Ravalomanana Nizara traikefa tamin’ny Tily

Sample post image

Manao fihaonan-dehibe any Moramanga nanomboka ny alatsinainy teo ireo rantsan’ny Skoto sy ny tily eto Madagasikara.

22-sept-2021

 Tanjona amin’io ny hitadiavana statejia vaovao hoenti-manatsara ny fanabeazana skotisma eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fitarihana ny tily eto Madagasikara. “Tano ny finoana ho ampinga”, Efesianina 6,16a no lohahevitra ifantohan’ny hetsika ataon’ny tily any Moramanga io. Nandalo tany an-toerana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly talata, nihaona sy nifampizara fomba fijery ary nitondra fanofanana ho an’ireo skoto. Naneho faharesen-dahatra ny Filoha teo aloha fa ny skotisma dia isan’ny fomba fanabezana tsy manam-paharoa mba ahafahana mamolavola ny olona ho tompon’andraikitra amin’ny firenena. “Faly aho nifampizara taminareo tily androany, ary resy lahatra aho satria ny Tily dia manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy ny fitaizana ho olom-banona eto amin’ny firenentsika”, hoy I Marc Ravalomanana., hoy hatrany ity Filoha teo aloha ity. Naneho izy fa tsy mba nanana vintana nanao tily, saingy mahatsapa ny maha zava-dehibe an’izany. Nafana ny fihaonana sy ny fiarahana teo amin’ny roa tonta satria noraisina tamin-kafaliana ity Filoha teo aloha ity, izay miavaka tanteraka ihany koa amin’ny traikefa ananany amin’ny haitarika na “Leadership”, ka isan’ny nifampizarana tamin’izany ny “leadership chrétien”. Tao anatin’ny fotoana somary naharitra no tsy dia nahitana firy an’I Marc Ravalomanana, ary ity fifampizarana tamin’ny tily tany Moramanga ity indray izany no nisehoany sy nifampizarany ny fahaiza-manaony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap