airtel

Finoana

23-août-2022

Finoana

Masera nolazaina fa nangalatra Nanazava ny pretra Ortodoksa

Sample post image

Niteraka resabe tany Ambatondrazaka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny zava-nitranga teo anivon’ny fiangonana Ortodoksa Ambodimanga Ambatondrazaka.

23-août-2022

Tsy navelan’ireo mpino tao an-toerana hifindra toerana mantsy ilay masera iray niara-nivavaka taminy. Nampangain’ireto farany no nangalatra ny entam-piangonana mantsy izy ka nifampisintomana mafy ary mbola marary hatramin’ny omaly fotoana nahazoana ny vaovao. Nipitsoka mantsy ny tanany.Nitondrana fanazavana mahakasika izany ireo pretra manaraka ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ka nambarany tamin’izany fa tsy nangalatra ny entan'ny fiangonana tao amin'ny Monastera, ity masera ity.Tsy an'ny fiangonana velively ireo entana noentiny hoy izy ireo fa an'ny kaominote ary tsy mifampiankina ny diosezy sy ny monastera.Mahakasika ny fialan'ny masera tao indray dia nilaza hatrany izy ireo fa tsy nanala ilay masera akory izy fa nafindra any amin'ny kaominote izy satria ny kaominote iray manontolo dia niala Otrodoksa Grika ka nifindra Ortodoksa Rosiana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap