amin’i Madagasikara ny afitsok’ireo mpamatsy vola, izay manery antsika hampihatra ny fijerin’ny fiainana ka tsy mahazo vola raha tsy manaraka ny baikon’izy ireo, hoy ny hoy ny Filohan’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, Mgr Fabien Raharilamboniaina. Mbola nampiany fa zava-doza ho an’ny mahantra, tsy misitraka ilay vary sy menaka kely raha tsy manaraka ny baikon’ireo mpamatsy vola izay midika fa «Dictature Idéologique » na jadona ara-poto-kevitra raha raisina dika teny malalaka. Tsy tokony hatao teny faneva fotsiny ihany koa anefa ilay hoe : « Disosezy maitso » sy « Madagasikara rakotra ala » fa arahina asa, izay manentana ny rehetra hamboly hazo ny eveka. Nahitsy ny tenany nilaza fa zava-doza ho an’ny Firenena ny fijery fohy, ivelany, vetivety, fa tsy maintsy mijery lavitra amin’ny evanjely. Tsy maintsy miverina amin’ny evanjely, vao mainka tsy maintsy hitory hikiakiaka ny soatoavin’ny evanjely hanavotra ity Firenena ity, ka ny miaraka amin’Andriamanitra ihany no vahaolana, hoy hatrany io mpitondra fivavahana io. Isan’ny manana adidy goavana amin’izao toe-draharaham-pirenena sy fahoriana lalina mianjady amin’ny Malagasy izao ny Fiangonana. Isan’ny mampaneno lakolosy sy manaitra manoloana ny tsy mety. Mba mihaino sy mandray ny fiangonana sy ireo Raiamandreny am-panahy ho arofanina sy mpanitsy ny dia ve anefa ny Fitondrana ankehitriny ? Firifiry ireo anjomaro sy torohevitra nomea fa moa nasiany hasiny ?
Toky R