airtel

Finoana

11-mai-2023

Finoana

Mialohan’ny Fihaonambem-pirenena hotarihiny

Sample post image

Hiroso amin’ny fakan-kevitra isam-paritra ny FFKM

11-mai-2023

Manomana ny fihaonambem-pirenena ny FFKM amin’izao fotoana izao. « Fihaonambe » no anarana hitondrana azy io, ka mialohan’izay dia hisy ny fakan-kevitra isam-paritra ka hanomboka ny faran’ity volana may ity no hiditra amin’izany, raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Aorian’ny fakan-kevitra isam-paritra kosa, dia hisy ny fandravonana any amin’ny volana jona. Faritra 35 no nofaritan’ny FFKM hanaovana izany, ka haharitra telo andro ny fihaonana sy fakan-kevitra. Hisy ny fametrahana rafitra “andrimaso” izay natao hanara-maso ny zotram-pifidianana, fandraisan’anjaran’ireo herivelona politika samihafa, ny firaisamonim-pirenena, solontenam-panjakana avy amin’ny faritra samihafa,... Aorian’ny fakana any amin’ny faritra, mieritreritra ny amonndrona ireo rehetra voakasika amin’ny alalan’ny Fakan-kevi-pirenena ny FFKM. Any amin’ny faran’ny volana aogositra na fara-fahatarany ny fiandohan’ny volana septambra no hanaovana an’io. Tanjona ao anatin’izany moa ny hakana hevitra sy hamoahana vahaolana manoloana ny olan’ny firenena tahaka ny lafiny sosialy, toekarena, politika,… Andrasana izay mety ho vahaolana mivoaka eo anatrehan’izao krizy mananontanona ny firenena izao. Miharihary rahateo ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ifandroritana ny pitsopitsony ara-pifidianana, mbola baraingo ny hoenti-manana, ny làlana hitondrana ny firenena,… Samy mandrirotra ny zava-misy amin’izay maha mety azy tsirairay ny eo amin’ny Fitondrana sy ny fanoherana, mifampiampanga matetika, mifanameloka,… Ny sary rehetra miseho dia mitady ho tafalentika ao anatin’ny krizy politika mahery vaika isika.
Toky R
 

Dans la même rubrique