airtel

Finoana

25-janv-2021

Finoana

Mompera Rolland Rabenarivo Nitambotsitra nandritra ny fiaraha-mivavaka

Sample post image

Nodimandry ny alakamisy 21 janoary 2021 teo tao an-tranon'Andriamanitra ny Mompera Rolland Rabenarivo,

25-janv-2021

 

 

 

 

 « aumônier » tao amin’ny CHU-JRA. Nandritry ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana tao amin'ny Lasapely Katolika Saint Luc Famindrampo an'Andriamanitra Befelatanana no nitambotsitra izy. Nanao ny vavaka iraisampinoana ary anjarany tamin’io fotoana io no nanao ranombavaka, izay tokony ho fohy, fa somary nataony lava ihany, raha ny fanazavana, ary dia nofaranany tamin'ny vavaka fifonana. Teniny farany ny hoe "Tompo o" dia nitambotsitra izy ary niala ny ainy. 52 taona izy izao nandao ny tany izao, 28 taona no naha Relijiozy azy, ary 18 taona naha pretra azy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa na Jezoita. Anisan'ny toerana niasany tany amin'ny diosezin'i Tsiroanimandidy.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap