Tsy ilaina ny ady, ny fifandrafiana, ny sotasota amin’ny hafa finoana amin’ny tena, hoy izy ireo. Nifanaiky, noho izany, izy ireo, ary nivoady fa hanatanteraka ny adidy hahatongavana amin’izany amin’ny sehatra rehetra na sosialy na toekarena na politika. Potika ny hasin’ny fiarahamonina. Very ny hasin’ny fifankatiavana eto amin’ity tany ity. Izany tsy fandriampahalemana izany dia avy amin’ny fialonana, fitiavan-tena, fankahalana ny hafa. Rehefa mifankatia isika, miverina marina ilay hasin’ny fihavanana dia miverina tsikelikely ny fandriampahalemana. Noraketina anaty boky mena izany voadinay izany anio. Hangatahanay koa amin’ny tomponandraikitra ny mba hanovana ity kianja ity ho kianjan’ny fampihavanana. Efa nandefa taratasy tany amin’ny finoana hafa toy ny FFKM koa izahay ny volana novambra. Na mpitandro filaminana, na mpitondra fiangonana, na mpitondra firenena na iza dia samy ho tetezinay sy ho resenay lahatra hoe andao hiavana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Nanao sonia fifanekena tanaty boky mena mihitsy izy ireo.
Feno 5 taona katroka ny nijoroan’ny antoko mpihira Randram-peo Fiderana hivondronan’ireo antoko mpihira miisa 5 dia ny KT Ambatovinaky, ny Koraita Manarintsoa Finoana,