airtel

Finoana

29-déc-2025

Mpino miozolomana eto

Madagasikara Manavao ny ao anatiny,

Sample post image

vonona amin'ny fanavaozana ny Firenena

29-déc-2025

Manamafy ny fandraisany anjara feno amin'ny fanavaozana an'i Madagasikara ny mpino miozolomana eto amintsika. Nanamafy ny Comité National de Concertation Citoyenne des Musulmans (CN CCM) taorian’ny Fifampidinihana Nasionaly natao ny 20 sy 21 Desambra 2025 teto Antananarivo fa zava-dehibe nahafahan'ireo mpino silamo nanangona ny fehin-kevitra rehetra manerana ny Nosy momba ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fanavaozana an'i Madagasikara izany. Maneho fisaorana feno sy lalina ho an’ireo mpandray anjara rehetra, ho an’ny manampahefana rehetra amin’ny Fanjakana, ireo vahoaka manan-kaja, ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ireo mpandraharaha ara-toekarena, ireo diplaomaty ary indostiraly manerana, noho ny fandrasiana’ ireo anjara mavitrika tamin’ny fahombiazana ity hetsika lehibe ity teo amin’ny sehatra nasionaly. Araka ny fanambaràna nosoniavin’ny Mpandriandra Nasionaly, NASSER Saïd Mmadi ny 24 desambra teo, nahitana fahombiazana lehibe teo amin’ny sehatra ivelany ny fihaonana, izay nampiseho endrika vaovao sy mavitrika ny vondrom-piarahamonina Miozolomana eo anatrehan’ny andrim-panjakana sy ny vahoaka, ary nanaporofo fa afaka mandray anjara feno amin’ny Fanavaozana Fototra an’i Madagasikara ny Miozolomana, ao anatin’ny fanahy milamina, fifampiresahana ary maha-olom-pirenena. Na izany aza, eken’ny rafitra fa nisy ihany koa fahalemena anatiny niseho nandritra ny dingana, toy ny tsy fifankahazoana, fifanenjehana ary fihetsika tsy mendrika teo amin’ireo rahalahy sasany. Nilaza ny CN CCM fa na dia mampalahelo aza izany, tsy manamaivana ny lanjan’ny vokatra sy ny tantara nateraky ny fifampidinihana. Ao anatin’ny fanambaràna dia navoaka mazava fa rava ara-pomba ofisialy ny CN CCM, ka taorian’ny fanatanterahana tanteraka ny iraka nampanaovina azy, dia ny fandaminana ny Fifampidinihana Nasionalin’ny Miozolomana ho an’ny Fanavaozana Fototra. Ny Fandrindrana Nasionaly noho dia nanambara fa ny dingana manaraka dia ny fametrahana sehatra ara-drafitra vaovao, matanjaka sy mahadarika kokoa, izay hanohana ny famoronana sy fandaminana ny Ordre des Musulmans de Madagascar. Ity rafitra vaovao ity dia mikendry ny hanamafy ny firaisan’ny Miozolomana eto Madagasikara, hametraka fitsipika mazava momba ny fitantanana anatiny, hisoroka ny fifarazarana sy ny disadisa anatiny, ary hanamafy ny fandraisan’anjaran’ny Miozolomana amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana fototra ny firenena. Miantso ny Miozolomana rehetra eto Madagasikara noho izany ny CN CCM mba haneho fandanjalanjana, fahendrena, fifanajana ary fandraisana andraikitra, mba tsy ho simba noho ny disadisa anatiny vonjimaika ireo vokatra tsara azo teo amin’ny sehatra ivelany. Ny fanambaràna dia manamafy fa ny fahombiazana teo amin’ny sehatra ivelany dia tokony ho fototra iorenan’ny fandaminana anatiny matotra kokoa, voarindra kokoa ary miray hina kokoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

mariky ny fifanorenana

Card image cap